4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompo tsy foiko - Ny Ainga

Mazàna raha tonga ny onja mahery misetra ny laka-nitàna

Dia tsy hita intsony ny lalan-kaleha sy tanjona izay hiafarana



ref:

Satria tsy mba mety ho fantatro fa ny fanahy tsy mba irery raha mino

Fa na maizina antoandro ny dia,

Ianao eo ihany kanefa hadino.



Ny làlan-kizorana ity koa anio toa efitra manjepizepy

Dia ny heriko irery no sisa manentana ahy kanefa tsy ela dia kivy

Satria tsy mba mety ho fantatro fa...



Ny toky amin-joky ’zay tsy mahafoy fa manampy raha tojo manjo

Dia efa hikimpiako na koa dia ariako satria entin-toky ny fo

Satria tsy mba mety ho fantatro fa ....



Mahita anoloana ity rahon’akora dia mangovitra mihenahena,

Dia tsy mba mijoro amin’ny saina matoky tsy hanaiky ho resiresena

Satria tsy mba mety ho fantatro fa...



Ny fody eny an-tsaha aza misy miahy sy manafy isan’andro mamiratra

Fa izaho no tsy latsam-paka amin’ny teny hoe:

"Ianao eo mandrakariva"

Satria tsy mba mety ho fantatro fa ny fanahy tsy mba irery raha mino

Fa na maizina antoandro ny dia,

Ianao eo ihany kanefa hadino.

Partager tompo tsy foiko

Commenter tompo tsy foiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite